Etsy ange ianao e
A:
Raha toerana ambony tsy hananam-piadanana
Nanaganam-pahavalo tamin’ ny fifaninanana,
Moa mahasoa va?
Satria ny anao mantsy
Ny tenanao no ambony,
Ka tsy mba nilalao tamin’ ny fo madio intsony
Fa nampiasa antsy nanatrobaka ny hafa:
Izay nitsikian’ ny vintana ka nitady ho tafa.
Dia faly ve ianao?
Ity fidehadehakao mba ajanony kely.
Tsy fantatrao angaha fa kodiarana ny fiainana?
Ny voninahitrao sy ny toeranao ambony, moa azo itarainana
Raha sanatrian’ izany misy loza izay manjo?
Tsy maintsy mila ny hafa ianao hampionona ny fo,
Hampitraka ihany koa raha tojo adin-tsaina ka tsy tafiarin-doha.
B:
Ka ilaina ve izany ny fifaninanana e?
Toa kihana ny anao no mibahan-toerana.
A:
Ilaina mihintsy kah!
Ny mpifaninana an, mila fanomanana;
Miezaka hanatsara ny vokatra eo an-tanana.
Ka izany indrindra no mitondra fivoarana.
Ny fandrosoana izao dia tena vokatr’ io:
Ny fitaovam-pitsaboana, ny finday sy ny sisa,
Ny teknolojia izay hitanao anio
Izao kosa anefa, raha hifaninana ihany, manana fahendrena.
Sy ny maro hafa tsy ho ary ho voatanisa.
Olombelona ny tena koa mitandrema!
Sao mihevitra ny hafa ho tsy misy vidiny sy ho ambany indrindra
Ka ny tenanao izao, ny saina, fo, fanahy dia ho potika sy simba.
Dia izao koa, mba teny kely farany,
Ny olona rehetra samy manana ny anjarany.
Tsy izao rehetra izao akory hifaninana avokoa,
Ny fifanampiana mantsy manampy antsika handroso lavidavitra kokoa. Come!
Come!
A:
If it is a high place without peace
Achieved by making enemies from competition,
Is it good for you?
Because for you
Your own self is above everything
So you do not play a fair game anymore
But instead you stab others with knives:
Those who might have a chance to succeed.
Does that make you happy?
Please stop your boasting.
Do you not know that life is like a wheel?
Can you call upon your glory and your place
If something bad happens to you?
You must need others to comfort you,
and encourage you in your dark moments.
B:
So do we need competition then?
It seems that all you do is criticise.
A:
Of course we need it!
Competitors need to plan;
And try to improve what they have on hand.
And that indeed brings improvement.
Development is a fruit of that:
Medical materials, phones etc.,
Technologies that you see today
And many other things that cannot be listed.
But if you want to compete, do it with wisdom.
You are only a human being so be careful
Lest you think of others as worthless
Whence you, your mind, your heart and your soul will be broken and destroyed.
And in closing, a final word,
Everyone has their own allotment.
One should not compete in everything in life,
Because collaboration helps us to go further.